|
Article on other languages:
|
Madagasikara na Repoblikan'i Madagasikara (anarana ofisialy; na koa Repoblika malagasy taloha) dia firenena na tany (fitambarana nosy) eo amin'ny Ranomasimbe Indianina. Madagasikara dia Nosy fahefatra lehibe indrindra eto an-tany. Toerana fonenan'ny 5%-n'ny biby sy zavamaniry misy eto amin'izao tontolo izao; ka mihoatra ny 80%-n'ireo dia Madagasikara irery ihany no manana azy (na ahitana azy eto an-tany). Voasokajy ao anatin'ireo ny Gidro sy ny Rajako isankarazany, ny fosa, ny fianakaviam-borona telo (3) sy zava-maniry toy ny Baobaba izay ahitana sokajy mihotra ny enina (6).
Tantara
Lahatsoratra antsipirihany : Tantaran'i Madagasikara.
Voalaza ara-tantara fa i Madagasikara dia isan'ny ilabolan-tanin'ny Gondwana, ary nitriatra tamin'ny Afrika 160 tapitrisa taona lasa izay. Nanomboka teo amin'io fivakisana io no niforona ny Nosin-tanin'i Madagasikara rehefa avy nisaraka tamin'ny India 80 na 100 tapitrisa taona lasa izay. Maro ny mpikaroka sy mpahay tantara no milaza fa teo ho eo amin'ny 200 taona T.J.K. (taorian'i Jesosy Kristy) no tonga teto madagasikara ny olona mpifindra monina voalohany. Araka izany dia voalaza fa avy any Azia Atsinana (indonezia) no fiavian'ireo mpifindra monina ireo. Teo koa ny fahatongavan'ny Arabo avy amin'ny fianakavian'i Mohameda, ny Indianina ary ny Jiosy babo avy tany Babilona. Ary teo koa (angamba) araka ny voalazan'ny mpandinika vitsivitsy ny fifindran'ireo Afrikanina izay mbola Arabo (Mozilmana) razana ihany koa. Politika
Lahatsoratra antsipirihany : Politika ao Madagasikara.
FitenyNy Teny Malagasy dia misokajy ao anatin'ny fiteny aostronezianina, iray tarika amin'ny fiteny malayo-polinezianina miaraka amin'ny Tagalog (fiteny filipina) ny Malay-indonezianina, ny javanezy sns... Malagasy no tenim-pirenen'i Madagasikara araka ny lalam-panorenana ary koa teny ofisialy voalohany ampiasain'ny Repoblikan'iMadagasikara. Teny iray tsy mivaky sady azon'ny vahoaka malagasy manerana ny Nosy ny fiteny malagasy. Ny teny Anglisy sy frantsay no fiteny vahiny ampiasaina miaraka amin'ny teny Malagasy, amin'ny asa sy varotra ary haino aman-jery (TV sy radio)sns... Ny fanitsiana ny lalàmpanorenana lany tamin'ny 04 avrily 2007 ihany koa dia nanampy ny teny anglisy ho isan'ny fiteny ofisialy miasa eo amin'ny tanin'ny Repoblika, ho fanampin'ny fiteny frantsay sy ny fiteny malagasy. Faritany
Lahatsoratra antsipirihany : Faritanin'i Madagasikara.
Nizara ho faritany enina (6) i Madagasikara hatramin'izay: Antsiranana, Antananarivo, Fianarantsoa, Mahajanga, Toamasina ary Toliara. Araka ny fiovana nisy anefa, nanomboka ny taona 2004, dia nozaraina ho faritra 22 i Madagasikara. Ireto avy ireo faritra 22 ireo miaraka amin'ny isan'ny mponina tamin'ny 2004:
Toe-tanyLahatsoratra antsipirihany : Toe-tan'i Madagasikara Antananarivo, Fianarantsoa, Mahajanga, Morondava, Toamasina, ... Toe-karenaLahatsoratra antsipirihany : Toe-karen'i Madagasikara MponinaLahatsoratra antsipirihany : Demografian'i Madagasikara Hai-kantoLahatsoratra antsipirihany : Hai-kanton'i Madagasikara Fety sy andro tsy fiasana
SamihafaLahatsoratra antsipirihany : Samihafa Vangio koaRohy ivelany
Madagasikara an'isaLahatsoratra antsipirihany : Madagasikara an'isa Article keywords: madagascar map, picture of madagascar, madagascar flag, madagascar animal, madagascar game, madagascar soundtrack, madagascar food, madagascar travel, madagascar history, |
||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||
This article is from Wikipedia. All text is available under the terms of the GNU Free Documentation License.