|
Article on other languages:
|
Ny rano dia akora iankinan'ny aina eto an-tany. Amin'ny mari-pana sy ny tsindry mahazatra dia miendrika zaka mitsiranoka izy. Fa hita amin'ny endrika mientona sy mivaingana koa izy eo amin'ny tontolo voajanahary.
Aiza no ahitana rano
FizikaAmin'ny tsindrin'ny atmosfera dia :
SimiaH2O1 no raikipohy simikan'ny rano. Izany hoe misy atome Oxygen anankiray mitambatra amin'ny atome Hydrogen anankiroa. 18g ny lanjany isa-môly. Noho ny oxygen izay electronegative dia sintoniny manatona azy ny couple electron anankiroa izay eo @ firaisany amin'ireo Hydrogene avy. Vokatr'izay dia lasa misy ampahana charge mitranga eo amin'ireo atome tsirairay, miabo eo amin'ny H ary miiba eo amin'ny O. Noho ireo charges ireo dia lazaina fa polaire ny molecule an'ny rano. Mibaiko ny toetrany amin'ny ankapobeny io maha polaire azy io. Ohatra hoe :
Fiaraha-moninaManan-danja be amin'ny aina ny rano hany ka manan-danja amin'ny fiaraha-monina koa. Entin'ny malagasy hilazana ny fihavanana izay indraindrainy ny fampiarahana ny rano sy ny vary. Mbola itarafana ny fihavanana malagasy koa ny fomba fizaran-drano eny an-tanimbary, ka na miady aza ny tompon'ny tanimbary mifanao ambony sy ambany dia mahay mifanaraka foana amin'ny fizaran-drano. Any amin'ny tany efitra dia mamaritra ny politika ankapobeny mihitsy ny rano. Iadiana ny toerana avo ka andalovan'ny rano mialoha ny toerana hafa. Izay manana fahefana amin'ny rano no manana fahefana amin'ny rehetra. Misy mihitsy aza ireo kolontsaina sasany izay ahitana olona manao ny rano ho andriamanitra satria loharanon'ny aina. FahasalamanaNy rano dia sakafo mahavelona. Ny 3/4 ny vatan'ny olombelona dia rano avokoa. Ary mila misotro rano isan'andro isika mba hikolokoloana an'io. Ankoatra ny maha rano azy dia mbola mety mitondra karazana sira mineraly izay ilain'ny vatana koa izy izay levona ao anatiny. Kanefa mila fitandremana betsaka ny rano sotroina satria mety mitondra mikiraoba isan-karazany ahiana hahatonga aretina. Anisan'ny aretina mety ho azo amin'ny fisotroana rano maloto ny kolera, ny bilarziozy, ny tefoedra sns. Tsara raha ampangotrahina ny rano vao sotroina, na farafaharatsiny ampiana fanafody tahaka ny Sur'Eau. Ny fiodinan'ny ranoArticle keywords: band moja ok rano, adidas rano, rano karno, best karno mp3 rano, henda gdje si duso gdje si rano, rano kau, rano moja, |
This article is from Wikipedia. All text is available under the terms of the GNU Free Documentation License.